4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manja foana io - Ny Ainga

MANJA FOANA IO



Misy sipakely efa ela no niriana

Tena potika sy tara taminao

Kisendrasendra ianareo nifanena

Dia mpisipa foana hatramin’izao

Fa tandremo ialahy ho krizy ialahy indray andro

Hitady sipa laibany indray avy eo

Izao no kôziko amin’ialahy tsy vazivazy

Carrosserie mamitaka ireo

Aoka ialahy tsy hanadino ity hirako ity

Fihino ny malala raha mbola mba mitia

Tsy misy hafa mahasolo an’io

Fa misy manjamanja amin’ny sipanao io



Manja letsy io sipakely io

Manja letsy io zazavavy io

Sipa tsy mba mampirafy sady tsotra tsy migafy

Manja letsy io sipakely io

Manja letsy io zazavavy io

Tsara letsy io sipakely io

Mitsikitsiky manjakely Costita koa mamely

Tsara letsy io sipakely io



Ny malalako izay dia na tsy foiko

Misy zavatra tsy afoizako azy

Tena zavatra manokana matsiro

Tsy voasolo raha samy vehivavy

Ho haiko tsy handrava ny fiarahanay

Fa tiako tena tiako izay malalako izay

Tsy misy hafa mahasolo an’io

Raha mbola sipa hafa tsisy asoloko an’io



Manja letsy io sipakely io

Manja letsy io zazavavy io

Sipa tsy mba mampirafy

Sady tsotra tsy migafy

Tsara leisy io sipakely io

Very ialahy raha miala amin’io

Manja ialahy fa nahapezy an’io

Tsy nasiana taratasy

Fa tonga dia face à face

Tsara leisy io sipakely io



Na dia misy gidragidra aza adino

Ny sipa rehefa mankafy tsy sahy mi-pa

Fa misy zavatra manokana koa e

Tsy ahafoizan’io sipa io an’ialahy

Ataovy tamana ataovy mankafy

Fa ny sipa rehefa mankafy dia tena mitia

Tena tsy lainga marina io leiry

Fa perta eo ialahy raha lasa io sanatria



Manja letsy io sipakely io

Manja letsy io zazavavy io

Sipa tsy mba mampirafy

Sady tsotra tsy migafy

Tsara leisy io sipakely io



Manja letsy io zazavavy io

Tsara letsy io sipakely io

Mitsikitsiky manjakely

Costita koa mamely

Tsara letsy io sipakely io



Very ialahy raha miala amin’io

Manja ialahy fa nahapezy an’io

Tsy nasiana taratasy

Fa tonga dia face à face

Tsara leisy io sipakely io






Partager manja foana io

Commenter manja foana io

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite